The New Testament Canon

 



kevitra ao anatiny dia ny amin’ny famonjen’i YHWH ny olona manoloana ny fahavalo masiaka sy ny fandrika mahafaty. Manao sary an’ohatra’i Davida eto, ka toy ny ”rano”, no hanambarana ny bla fahatezerana lalina sy ny fandringanana tian’ireo fahavalony hatao aminy [  מִמַּיִם רַבִּים(mimmaym rabbim) hoy ny filazana azy ao amin’ny Salamo 18:17]. Tsindrian’i Davida, fa ireto fahavalony ireto, dia tena mahery sy matanjaka. Tsy resiny izany raha ny herin’ny tenany manokana. Soa fa eo YHWH miady ho azy, izay fitahiana lehibe hatolotra azy izany. Noho izany asan’i YHWH momba sy manatrika ny mpanompony, toy izay efa fahita any amin’ny Gen. 31:42 Isa. 1:9. Eo koa ny fiarovany ny olony.  Izany antony izany eto, no mahatonga an’i Davida hisaotra sy hankasitraka Azy. Mahery indrindra ity YHWH, izay tompoiny ity, ka mendrika homena voninahitra.[1]

v  Olona no Sujet

Indray mandeha ihany no ahitana izany ao amin’ny Testamenta Taloha.[2] Hita izany ao amin’ny 1Samoela. 25:33

  וּבָרוּךְ טַעְמֵךְ וּבְרוּכָה אָתְּ אֲשֶׁר כְּלִתִנִי הַיּוֹם הַזֶּה מִבּוֹא בְדָמִים וְהֹשֵׁעַ יָדִי לִי׃

Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.

Fanazavana: Nisy tànana iray atao hoe Maona, izay ao akaikin’i Hebrona, tafiditra amin’ny tany Kanana. Tao no nonina i Nabala . Ny dikan’ny נָבָל (Nābhāl ) ”adala”.[3] Raha hazavaina izany, dia tsy ilay hoe adala marary saina no tena tsindriana, fa kosa ilay toetrany masika sy tsy marina ary loza be teo anivon’ny fiaramonina nisy azy (and 2-3). na ireo ray aman-dreniny, na ny vadiny Abigaila, dia samy mahafantatra io toetra ratsiny io avokoa (and 25). Ambara ihany koa fa lehilahy manankarena izy (manana biby fiompy maro toy ny ondry aman’osy). Noho io toetra ratsiny io, na dia Davida mpanjaka aza no nangataka tolo-tanàna taminy (fanampiana ara-tsakafo ho an’ny miaramila), dia tsy nanome izy ary mbola naniratsira ihany koa. Tsy mba nahavaly fitia an’i Davida izy, eny na dia efa narovan’ity farany tamin’ireo fahavalo mpandroba aza ireo hareny.[4]



[1]Leslie C. Allen, “Psalms 101-150,” WBC 21: 222.

[2]G. J. Botterweck, “ ברך,” TDOT 2: 284

[3]Geoffrey W. Bromiley. “Nabal,” ISBE 3: 466.

[4]Joyce G. Baldwin, 1 and 2 Samuel: An Introduction and Commentary, vol. 8 (Nottingham, England: Inter-Varsity Press, 1988), 159.

Post a Comment (0)
Previous Post Next Post